Ezekiel 47:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny nivoaka tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ny lalana ivelany hankany amin’ny vavahady ivelany, dia teo amin’ny lalana manatrika ny atsinanana. Ary indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ny ilany havanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany mitodika miantsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankavanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitondra ahy nivoaka ny tempoly tamin’ny vavahady avaratra izy ka nampandeha ahy nanodidina tany ivelany hipaka amin’ny vavahady atsinanana. Ary indro avy teo ankavanan’ity vavahady ity no nikoriana ny rano.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny nivoaka tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ny lalana ivelany hankany amin’ny vavahady ivelany, dia teo amin’ny lalana manatrika ny atsinanana. Ary indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ny ilany havanana.
malagasy