Ezekiel 47:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny antsapaka no hizaranareo azy ho lova ho anareo sy ny vahiny monina ao aminareo izay miteraka ao aminareo, ka hataonareo ho tahaka ny tena Zanak’Israely izy. Hiara-manao antsapaka aminareo izy ka hiara-mandova amin’ny fokon’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny filokàna no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an’ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loa-jaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin’ny zanak’i Israely, izy ireo, ka filokàna no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin’ny fokon’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny antsapaka no hizaranareo azy ho lova ho anareo sy ny vahiny monina ao aminareo izay miteraka ao aminareo, ka hataonareo ho tahaka ny tena Zanak’Israely izy. Hiara-manao antsapaka aminareo izy ka hiara-mandova amin’ny fokon’ny Israely.
malagasy
Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.