Ezekiel 47:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandeha niantsinanana Ralehilahy, ary nisy kofehy fandrefesana teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy; nampitainy ny rano aho ka hakitrokely ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafavoaka niantsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandroso niantsinanana ralehilahy, nitana tady izay nandrefesany dimanjato metatra niantsinanana. Avy eo dia nampita ahy ny rano izy ka hatreny an-kitrokeliko izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandeha niantsinanana Ralehilahy, ary nisy kofehy fandrefesana teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho* izy; nampitainy ny rano aho ka hakitrokely ny rano.
malagasy
Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.