Ezekiel 47:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy ny rano aho ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy aho, ka hatehezana ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy nita ny rano aho, ka havalahana ny rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandrefy dimanjato metatra indray izy, ary nampita ahy ny rano ka hatreny an-dohaliko izany. Nony afaka dimanjato metatra manaraka dia nampita ahy ny rano indray izy, ka hatreny andilako ny rano.
Malagasy Bible 1865
Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy ny rano aho ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy aho, ka hatehezana ny rano.
malagasy
Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.