Ezekiel 47:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka mankany amin’ny tany atsinanana dia midina any amin’ny tany ngazana ka miditra ao amin’ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy dia sitrana ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy tamiko: «Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana; hidina ho any amin’ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina; hoentiny mankany amin’ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ralehilahy tamiko: «Mizotra hankany amin’ny faritra atsinanana ity ony ity ka midina ny lohasahan’i Jôrdàna ary mivarina eo amin’ny Ranomasina Maty. Rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia manavao ny ranony hanjary hahasalama.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka mankany amin’ny tany atsinanana dia midina any amin’ny tany ngazana ka miditra ao amin’ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy dia sitrana ny rano.
malagasy
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.[Heb. Arabà]