Ezekiel 47:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zavamananaina rehetra mifanaretsaka dia ho velona, na aiza na aiza alehan’ny ony, ary hisy hazandrano sesehena; fa rehefa tonga ao ity rano ity dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ny ony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zava-manana aina mihetsiketsika any amin’izay halehan’ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan’ny ony maria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hifanaretsaka ny zava-miaina isan-karazany ary hitombo marobe ny trondro, na aiza na aiza hivarinan’ilay ony. Fa hanadio ny ranomasina izany; ka any amin’izay hivarinany dia hitondrany aina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zavamananaina rehetra mifanaretsaka dia ho velona, na aiza na aiza alehan’ny ony, ary hisy hazandrano sesehena; fa rehefa tonga ao ity rano ity dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ny ony.
malagasy
Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa]