Ezekiel 48:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho an’ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandremana ka tsy nivily tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely, tahaka ny nivilian’ny levita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpisorona voahasina, taranak’i Sadôka, izay nanefa ny fanompoana Ahy, fa tsy mba nivily tamin’ny fotoana nivilian’ny zanak’i Israely, tahaka ny nivilian’ny Levita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany faritra izany dia ho an’ny mpisorona voatokana avy amin’ny taranak’i Tsadôka izay nitandrina an-tsakany sy an-davany ny fanompoana Ahy Tompo, fa tsy mba nivily nanaraka ny lalan-dison’ny Israelita tahaka ny nataon’ny levita.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho an’ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandremana ka tsy nivily tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely, tahaka ny nivilian’ny levita*.
malagasy
Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,