Ezekiel 48:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ny sakany mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina, dia tsy masina fa ho an’ny tanàna, ho tany fonenana sy ho tany fiandrasam-biby, ary ny tanàna no ho ao afovoany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny 5.000 sakany, navela mifanolotra amin’ny 25.000, dia ho tany tsy masina, homba ny tanàna, dia ho an’ny tanàna honenana sy ho an’ny tany malalaka manodidina akaikin’ny tanàna, ka dia ho eo afovoany, ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’io faritany voatokana ho an’ny Tompo io dia mbola hisy tany sisa izay hirefy 2 km sy sasany ny sakany ary 12 km sy sasany ny lavany. Ho tany tsy masina io fa avela ho an’ilay tanàna; ny manodidina dia hisy ireo zana-bohitra sy ny kijana fiandrasam-biby, fa eo afovoany no hisy ilay tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.