Ezekiel 48:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lavany sisa mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana dia iray alina amin’ny atsinanana, iray alina amin’ny andrefana ary hifanolotra amin’ny anjara masina voatokana izany; ny vokatra avy aminy dia ho sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka ny lavan’ny anjara masina, hamelàna 10.000 ny atsinanana, ary 10.000 koa ny andrefana, manaraka ny lavan’ny anjara masina; hatao sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna ny vokany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaraka ny halavan’ny faritra voatokana ho Ahy Tompo dia mbola hisy tany iray mirefy 5 km ny lavany eo atsinanan’ny tanàna, ary koa tany iray mitovy refy amin’izany eo andrefany. Ireo tany ireo no hanome sakafo ho an’ny mpiasa ao an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lavany sisa mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana dia iray alina amin’ny atsinanana, iray alina amin’ny andrefana ary hifanolotra amin’ny anjara masina voatokana izany; ny vokatra avy aminy dia ho sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna.
malagasy