Ezekiel 48:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho an’ny mpanjaka ny sisa eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy ny zaratany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina amin’ny anjara voatokana hatramin’ny sisintany atsinanana ary mifanolotra amin’ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ny sisintany andrefana, mifanolotra amin’ny anjaran’ireo foko; ho an’ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny Trano, fitoerana masina, no ho eo afovoany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpanapaka ny sisa: eo an-danin’ny anjara masina sy ny tany momba ny tanàna ary hatramin’ny 25.000 amin’ny anjara voatokana, ka hatramin’ny sisin-tany atsinanana, ary any amin’ny andrefana, hatramin’ny 25.000, ka hatramin’ny sisin-tany andrefana, mifanandrify amin’ny tany efa voazara; izany no ho anjaran’ny mpanapaka; ary ny anjara masina amam-pitoerana masin’ny trano no ho eo afovoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa dia ho an’ny printsy filoha. Ny anjara taniny kosa dia ho eo an-daniny roa amin’ny faritra voatokana ho Ahy Tompo sy ny zaratany ho an’ilay tanàna. Mifanolotra amin’ireo anjaran’ny sasany izany, ka mirefy 12 km sy sasany manomboka eo amin’ny faritra voatokana ka hatrany amin’ny sisin-tany atsinanana ary manomboka eo amin’ny faritra voatokana ka miankandrefana hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea. Ny faritra voatokana ho Ahy Tompo sy ny tempoly amin’izay dia ho ao afovoany.
Malagasy Bible 1865
Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho an’ny mpanjaka ny sisa eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy ny zaratany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina amin’ny anjara voatokana hatramin’ny sisintany atsinanana ary mifanolotra amin’ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ny sisintany andrefana, mifanolotra amin’ny anjaran’ireo foko; ho an’ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny Trano, fitoerana masina, no ho eo afovoany.
malagasy