Ezekiel 48:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny zaratanin’ny levita sy ny zaratany momba ny tanàna izay ao ampovoan’ny an’ny mpanjaka, anelanelan’ny faritanin’i Joda sy Benjamina, dia ho an’ny mpanjaka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany hoe: hatramin’ny tanin’ny Levita sy ny tany momba ny tanàna, izany eo afovoan’ny anjaran’ny mpanapaka, dia an’ny mpanapaka avokoa, ny eo anelanelan’ny sisin-tanin’i Jodà sy ny sisin-tanin’i Benjamina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zaratanin’ny levita sy ny zaratany ho an’ilay tanàna no hampisaraka roa ny tanin’ny printsy filoha izay ho tafatsofoka eo anelanelan’ny faritanin’i Joda eo avaratra ary ny faritanin’i Benjamîna eo atsimo.»
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny zaratanin’ny levita* sy ny zaratany momba ny tanàna izay ao ampovoan’ny an’ny mpanjaka, anelanelan’ny faritanin’i Joda sy Benjamina, dia ho an’ny mpanjaka izany.
malagasy
Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.