Ezekiel 48:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Valo arivo sy iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia: NY TOMPO NO AO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary 18.000 hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny manodidina ny tanàna dia mirefy sivy arivo metatra. «Manomboka hatreo ny tanàna dia hantsoina hoe ‹Ny TOMPO no ao ›. »
Malagasy Bible 1865
Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Valo arivo sy iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia: NY TOMPO NO AO.
malagasy
Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.