Ezekiel 48:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mifanolotra amin’ny sisintanin’i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisy ilay tany hatokanareo, indimy arivo sy roa alin’ny volotara fandrefesana ny sakany, ary ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny anjaran’ny firenena tsirairay, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manolotra ny sisin-tanin’i Jodà, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, no ho ilay anjara hatokanareo, 25.000 ny sakany, ary mifanerana amin’ny anjara iray ny lavany, dia hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: eo afovoany no hatao ny fitoerana masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mifanolotra amin’ny faritanin’i Joda, hatreo amin’ny sisin-tany atsinanana ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana, dia hanavahanareo zaratany iray mitovy halava amin’ny anjaran’ny foko tsirairay fa hirefy 12 km sy sasany ny sakany; ary ao afovoany no hisy ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mifanolotra amin’ny sisintanin’i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisy ilay tany hatokanareo, indimy arivo sy roa alin’ny volotara fandrefesana ny sakany, ary ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny anjaran’ny firenena tsirairay, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
malagasy