Ezekiel 5:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, makà sabatra maranitra ka ampiasao toy ny harezan’ny mpanala volombava izany, dia anarato ny lohanao sy ny somotrao, ary makà mizana dia zarao ny volo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan’ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; raha efa izany, makà mizana fandanjàna, ka zarao izay voatapakao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny Tompo tamiko: «Makà sabatra maranitra ianao, ry ilay taranak’olombelona, ka ampiasao ho toy ny hareza izany. Kikiso ny volondohanao sy ny volombavanao, dia lanjao izay voaharatrao ary tsinjarao telo.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona*, makà sabatra maranitra ka ampiasao toy ny harezan’ny mpanala volombava izany, dia anarato ny lohanao sy ny somotrao, ary makà mizana dia zarao ny volo.
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.