Ezekiel 5:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy. Hanao fitsarana eo aminao Aho, koa izay sisa rehetra aminao dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao Aho, ary haeliko any amin’ny vazantany rehetra, izay sisa eo aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny ray aman-dreny hihinana ny zanany ary ny zanaka kosa hihinana ny ray aman-dreniny. Hampihariko ny didim-pitsarako momba anareo, ka haeliko amin’ny vazan-tany rehetra izay sisa tavela eo aminareo.
Malagasy Bible 1865
Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy. Hanao fitsarana eo aminao Aho, koa izay sisa rehetra aminao dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra.
malagasy
Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;