Ezekiel 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin’ny zavatra maharikorikonao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hanary ka tsy hiantra anao ny masoko; eny, tsy hamindra fo Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa amin’izany, velona Aho - teny marin’i Iaveh Tompo; - noho ianao nandoto ny fitoerako masina tamin’ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; Izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Eny, velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao izao teny hentitra izao: Holevoniko tsy misy indrafo na fiantrana ianareo, satria nolotoinareo tamin’ny fanaonareo mahatsiravina sy ny sampinareo maharikoriko ny tempoliko.
Malagasy Bible 1865
eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin’ny zavatra maharikorikonao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hanary ka tsy hiantra anao ny masoko; eny, tsy hamindra fo Aho.
malagasy