Ezekiel 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ny areti-mandringana na ho ringan’ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony sisa dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra; ary hanatsoaka sabatra hoentiko manenjika azy Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.
Malagasy Bible 1865
Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ny areti-mandringana na ho ringan’ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony sisa dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra; ary hanatsoaka sabatra hoentiko manenjika azy Aho.
malagasy