Ezekiel 5:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho tanteraka amin’izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako ka hamaly faty Aho; dia ho fantany fa Izaho TOMPO no niteny izany tamin’ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po Aho, ary izy kosa hahalala, rehefa nampanaraniko namely azy ny fahatezerako, fa tamin’ny fahasaro-piaroko no efa nitenenako Izaho Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampihariko hatramin’ny farany ny fahatezerako ary hanaranako fo ny fahavinirako ka hampariko aminareo ny valifatiko. Amin’izay dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany taminareo satria tsy zakako ny fivadihanareo, ka nampihariko taminareo hatramin’ny farany ny fahavinirako.
Malagasy Bible 1865
Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho tanteraka amin’izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako ka hamaly faty Aho; dia ho fantany fa Izaho TOMPO no niteny izany tamin’ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
malagasy