Ezekiel 5:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ho latsa, fitenenan-dratsy, famaizana sy figagana amin’ny Jentilisa manodidina ianao, rehefa manao fitsarana aminao Aho, amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ny fananarana mafy. Izaho TOMPO no niteny izany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan’ny fahavinirako, ianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an’ny firenena manodidina anao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampihariko ny didim-pitsarana hamelezana io tanàna io amim-pahatezerana sy amim-pahavinirana ary amim-panakianana mivaivay. Amin’izay ny hafa firenena manodidina azy dia hanao azy ho fandatsa sy ho fihomehezana ary koa ho fampitandremana sy ho fampitahorana. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.
Malagasy Bible 1865
Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ho latsa, fitenenan-dratsy, famaizana sy figagana amin’ny Jentilisa manodidina ianao, rehefa manao fitsarana aminao Aho, amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ny fananarana mafy. Izaho TOMPO no niteny izany;
malagasy