Ezekiel 5:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
rehefa alefako ho fandringanana azy ny mosary dia zana-tsipìka ratsy halefako handringana anareo izany sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo ka hotapahiko ny mofonareo izay tohan’aina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
- Izaho Iaveh no milaza - rehefa alefako amin’izy ireo ny zana-tsipìka mandozan’ny mosary, izay enti-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahiko ny tehina mofo ho anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hampijaliako amin’ny mosary ianareo mba haharingana anareo. Hampahory anareo tahaka ny zana-tsipîka mahafaty izany. Hosimbàko ny tahiri-mofonareo ka ho faty mosary ianareo.
Malagasy Bible 1865
raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
rehefa alefako ho fandringanana azy ny mosary dia zana-tsipìka ratsy halefako handringana anareo izany sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo ka hotapahiko ny mofonareo izay tohan’aina.
malagasy
raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany