Ezekiel 5:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia handefasako mosary sy biby masiaka eo aminareo ka hahalany fara anareo izany; handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-dra, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho TOMPO no niteny izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo Aho, izay hanesotra aminao ny zanakao; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; Izaho no miteny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mosary sy ny biby masiaka izay halefako hamely anareo no hahafaty ny zanakareo; ny areti-mandringana sy ny herisetra dia handroso eo aminareo ary ny ady kosa hataoko mihatra aminareo. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia handefasako mosary sy biby masiaka eo aminareo ka hahalany fara anareo izany; handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-dra, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho TOMPO no niteny izany.
malagasy