Ezekiel 5:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ampahatelony dia doroy amin’ny afo ao an-tanàna rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; alao koa ny ampahatelony ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ary ny ampahatelony sisa dia aelezo eny amin’ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampahatelony dory amin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapitra ny fotoanan’ny fahirano, dia hodoranao amin’ny afo harehitrao eo afovoan-tanàna ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin’ny sabatra manodidina ny tanàna. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin’ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.
Malagasy Bible 1865
Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ampahatelony dia doroy amin’ny afo ao an-tanàna rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; alao koa ny ampahatelony ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ary ny ampahatelony sisa dia aelezo eny amin’ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
malagasy