Ezekiel 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao izay ratsy mihoatra noho ny Jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nandà ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy, satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny l?lako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nankatò ny fitsipiko aman-dalàko anefa ny mponin’i Jerosalema fa nanao ratsy mihoatra noho ireo hafa firenena nifanila taminy ary mihoatra noho ireo tany nanodidina azy. Eny, nolaviny ny fitsipiko ary tsy narahiny ny lalànako.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao izay ratsy mihoatra noho ny Jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nandà ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
malagasy