Ezekiel 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mikapoha amin’ny tananao ianao ary mitotoa amin’ny tongotrao ka mitenena hoe: Indrisy, amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ny taranak’Israely izay ho lavon’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Mitehafa tanana ianao ary mitotoa tongotra, ka manaova hoe: «Indrisy!» amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra, nataon’ny taranak’i Israely, izay efa ho levon’ny sabatra, sy ny mosary ary ny pesta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Mitehafa tanana ianao, ary migadogadòna tongotra ka milazà hoe: ‹Vita toa ny amin’ny fomba rehetra maharikoriko sy mahatsiravina nataon’ny Israelita›. Fa haringana amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy;
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mikapoha amin’ny tananao ianao ary mitotoa amin’ny tongotrao ka mitenena hoe: Indrisy, amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ny taranak’Israely izay ho lavon’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
malagasy