Ezekiel 6:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa miampatrampatra eny amin’ny sampiny manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ny vohitra avo rehetra, eny an-tampon’ny tendrombohitra rehetra, eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, eny ambanin’ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’izay nanolorany hanitra ankasitrahana tamin’ny sampiny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho; rehefa hiampatrampatra eny afovoan’ny sampiny ny maty amin’izy ireo manodidina ny ôteliny, eny amin’ny havoana avo rehetra, eny antampon-tendrombohitra rehetra; eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, eny ambanin’ny oaka be ravina rehetra, amin’ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra tamin’ny sampiny rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hiampatrampatra eny anivon’ireo sampiny sy manodidina ny alitarany ny fatiny, eny an-tampon’ny tendrombohitra sy ny havoana, eny ambanin’ny hazo maitso sy matevina, dia eny amin’ny toerana rehetra nanolorany sorona ho an’ny sampiny. Amin’izay dia hoekeny izy fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa miampatrampatra eny amin’ny sampiny manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ny vohitra avo rehetra, eny an-tampon’ny tendrombohitra rehetra, eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, eny ambanin’ny terebinta* misandrahaka rehetra, dia eny amin’izay nanolorany hanitra ankasitrahana tamin’ny sampiny rehetra.
malagasy
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.