Ezekiel 6:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatsotrako aminy ny tanako ka hataoko lao sy foana mihoatra noho ny tany efitr’i Dibla ny tany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haninji-tanana hamely azy ireo Aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampiseho ny heriko Aho hamelezana azy. Hosimbako ny taniny ka hataoko lao tsy misy mponina intsony ny toerana rehetra nonenany manomboka eo amin’ny taniefitra atsimo ka hatrany amin’ny tanàna Riblà any avaratra. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatsotrako aminy ny tanako ka hataoko lao sy foana mihoatra noho ny tany efitr’i Dibla ny tany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
malagasy
Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.