Ezekiel 6:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka lazao hoe: Ry tendrombohitry ny Israely ô! Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho hahatonga sabatra hamely anareo ary horavako ny toerana fanaovanareo sorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry tendrombohitr’i Israely, Mihainoa ny tenin’i Iaveh Tompo. Izao no lazain’i Iaveh Tompo amin’ny tendrombohitra aman-kavoana, sy amin’ny hadin-driaka aman-dohasaha; Indro Aho hahatonga sabatra hamely anareo; ary ny fitoerana avonareo horavako,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hihaino ny teniko izy! Fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no milaza amin’ny mponina eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny amin’ny hadin-driaka sy ny lohasaha hoe: «Indro hahatonga ady hamelezana anareo Aho mba handravana ny toeram-panasinanareo.
Malagasy Bible 1865
ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka lazao hoe: Ry tendrombohitry ny Israely ô! Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho hahatonga sabatra hamely anareo ary horavako ny toerana fanaovanareo sorona.
malagasy