Ezekiel 6:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay afa-nandositra aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ny Jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga izay niala tamiko, sy ny masony izay mijangajanga manaraka ny sampiny. Haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy nataony, dia ny fahavetavetany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ireo afaka ireo dia hahatsiaro Ahy eny amin’ny firenena, izay hitondrako azy ho babo; nony efa notorotoroiko ny fony mpisintaka izay nivily tamiko, sy ny masony mpisintaka izay nitodika nankany amin’ny sampiny; ka haharikoriko azy ny tenany, noho ny ratsy nataony, tamin’ny fahavetavetana rehetra vitany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.
Malagasy Bible 1865
Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay afa-nandositra aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ny Jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga izay niala tamiko, sy ny masony izay mijangajanga manaraka ny sampiny. Haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy nataony, dia ny fahavetavetany rehetra.
malagasy