Ezekiel 7:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezan’ny faharatsiana; tsy hisy tavela intsony aminy, na ny hamaroany na ny harenany na ny zava-mendrika eo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mitsangana ny fanaovana an-keriny, mba ho tsora-kazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana. Tsy hisy aminy ho voavela, na amin’ny hamaroany, na amin’ny fihahohahoany, tsy ho maresaka intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny herisetra dia toy ny tsorakazo arangaranga hanafaizana ny haratsiana; koa tsy hisy tavela intsony eo aminareo na ny hamaroanareo na ny harenareo na ny zava-kantonareo.
Malagasy Bible 1865
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezan’ny faharatsiana; tsy hisy tavela intsony aminy, na ny hamaroany na ny harenany na ny zava-mendrika eo aminy.
malagasy
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy mireondreona]