Ezekiel 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mpivarotra dia tsy hifodian’izay efa lafony na dia mbola isan’ny velona aza izy; fa ny fahitana ny amin’ny hanjo ny harembe dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy hamonjy ny ainy amin’ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpivarotra tsy ho tonga tompon’ izay efa lafony indray, na mbola ho isan’ny velona aza izy; fa ny fahitana an’izay hanjò ny ankamaroany rehetra, tsy mba ho foanana, ary tsy misy maharo ny ainy, na iray aza, amin’ny helony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpivarotra tsy hiverenan’ny entany intsony na dia mbola velona aina aza. Ny fahitana manambara ny loza hanjo ny vahoaka rehetra manko dia ho tanteraka. Samy miaina anaty heloka ny olona tsirairay ka tsy hisy hotafarina.
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mpivarotra dia tsy hifodian’izay efa lafony na dia mbola isan’ny velona aza izy; fa ny fahitana ny amin’ny hanjo ny harembe dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy hamonjy ny ainy amin’ny helony.
malagasy
Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.