Ezekiel 7:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisikina lamba fisaonana izy ka hanafotra azy ny horohoro; ho menatra ny tava rehetra ary ho voasola ny lohan’izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy; henatra no ho amin’ny tava rehetra, ary mibory ny loha rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisikina lamba fisaonana izy ka ho safotry ny horohoro. Hisoritra henatra ny endrika rehetra ary ho voaharatra avokoa ny loha rehetra.
Malagasy Bible 1865
Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisikina lamba fisaonana izy ka hanafotra azy ny horohoro; ho menatra ny tava rehetra ary ho voasola ny lohan’izy rehetra.
malagasy
Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.[Heb. lamba malailay]