Ezekiel 7:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny volafotsiny dia hariany eny an-dalambe ary ny volamenany dia hataony ho zava-maloto; ny volafotsiny sy ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO; tsy hahavoky ny tendany na hahafeno ny kibony izany satria izany no nahatonga heloka ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hariana eny an-dalambe ny volafotsiny, hataony hoatra ny zezika ny volamenany; tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany, amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh; tsy hamoky ny fanahiny amin’izany, izy, na hameno ny kibony amin’izany akory, fa izany indrindra no nahalavo azy tamin’ny faharatsiana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hariany eny an-dalambe ny volafotsiny ary hataony toy ny tain-drendrika ny volamenany satria na ny volafotsy na ny volamena dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO. Tsy hahafa-po azy na hahavoky azy izany satria ny volafotsy sy ny volamena no tonga fototry ny heloka ataony.
Malagasy Bible 1865
Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny volafotsiny dia hariany eny an-dalambe ary ny volamenany dia hataony ho zava-maloto; ny volafotsiny sy ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO; tsy hahavoky ny tendany na hahafeno ny kibony izany satria izany no nahatonga heloka ho azy.
malagasy