Ezekiel 7:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataony firavaka tsara tarehy hoentiny mirehareha ireny sady noentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-maharikoriko nataony. Koa izany no hanaovako azy ireny ho zava-maloto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataony firavaka tsara tarehy hoentiny mirehareha ireny sady noentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-maharikoriko nataony. Koa izany no hanaovako azy ireny ho zava-maloto.
malagasy
Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.