Ezekiel 7:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hitondra izay firenena ratsy indrindra Aho ka ho lasan’ireny ny tranony; ary hatsahatro ny avonavon’ny mahery sady holotoina ny fitoerany masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasaiko avy ny ratsy fanahy indrindra amin’ny firenena, haka ny tranon’izy ireo, hampitsahatra ny avonavon’ny mahery; ary ny fitoerany masina dia ho voaloto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon’ny mponina. Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.
Malagasy Bible 1865
Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hitondra izay firenena ratsy indrindra Aho ka ho lasan’ireny ny tranony; ary hatsahatro ny avonavon’ny mahery sady holotoina ny fitoerany masina.
malagasy
Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.