Ezekiel 7:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifanontona ny fandravana, mifandimby ny filazan-doza; dia manontany fahitana amin’ny mpaminany izy nefa tsy misy lalàna intsony amin’ny mpisorona, na fahendrena amin’ny zokiolona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin’ny loholona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hifanesy tonga ny antambo ary hifanindry ny filazana loza. Ny mpaminany hitakiana fahitana fa tsy hisy; ny mpisorona tsy manana fampianarana intsony ary ireo loholona tsy manome tolo-kevitra.
Malagasy Bible 1865
Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifanontona ny fandravana, mifandimby ny filazan-doza; dia manontany fahitana amin’ny mpaminany izy nefa tsy misy lalàna intsony amin’ny mpisorona, na fahendrena amin’ny zokiolona.
malagasy
Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.