Ezekiel 7:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahaverezan-kevitra ny andriana, hangovitra ny tanan’ny vahoaka. Araka ny lalany ihany no hataoko aminy, ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanjaka, ho rafitra misaona; ny mpifehy, hitafy falahelovana; ary ny tanànan’ny vahoakan’ny tany hangovitra; fa hasiako araka ny asany izy; ary hotsaraiko araka ny tandrify azy, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisaona ny mpanjaka, tototra hakiviana ny andriana ary hangovi-tanana ny vahoaka. Hovaliako araka ny fitondrantenany izy ary hotsaraiko araka ny sahaza azy. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahaverezan-kevitra ny andriana, hangovitra ny tanan’ny vahoaka. Araka ny lalany ihany no hataoko aminy, ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
malagasy