Ezekiel 7:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako ka hotsaraiko araka ny lalanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ankehitriny Aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra ny hatezerako aminareo; hanala fo ny fahavinirako aminao; hitsara anao araka ny asanao aho, ary hampitambesatra aminao, ny fahavetavetanao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao ankehitriny izao no hanosahako ny fahatezerako aminareo ka hanamparako ny fahavinirako. Hotsaraiko araka ny fitondrantenanareo ianareo ary hovaliako aminareo ny asa maharikoriko rehetra nataonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako ka hotsaraiko araka ny lalanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
malagasy
Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.