Ezekiel 7:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no mamely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho, hitambesatra aminao ny asanao; ho eo afovoanao ny fahavetavetanao. Dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no mamely!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ho antra fijery anareo Aho ary tsy hamindrafo aminareo, fa hovaliako aminareo ny fitondrantenanareo sy ny asa maharikoriko izay mbola tohizinareo eo anivonareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mikapoka anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no mamely.
malagasy
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.