Ezekiel 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahenina, tamin’ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ny Joda dia nanan-kery tampoka tamiko ny tanan’NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahenina, andro fahadimin’ny volana, volana fahenina, raha ilay nipetraka tao an-tranoko iny aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’i Jodà, dia nilatsaka tamiko ny tanan’i Iaveh Tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahenina taorian’ny fahababoana, nony andro fahadimin’ny volana fahenina, dia nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka manoloana ahy ireo loholon ’i Joda. Teo no voatsindrin’ny herin’ny Tompo ANDRIANANAHARY aho.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahenina, tamin’ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ny Joda dia nanan-kery tampoka tamiko ny tanan’NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
[Fahitana ny amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.