Ezekiel 8:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy fitopolo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Israely, nitsangana teo anoloan’ireo, ary Jazania, zanak’i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tanany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasa zanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy fitopolo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Israely, nitsangana teo anoloan’ireo, ary Jazania, zanak’i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tanany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonaka.
malagasy