Ezekiel 8:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, samy ao amin’ny efitranony misy sarin’ny sampiny? Fa hoy izy: NY TOMPO tsy mahita anay, efa nahafoy ny tany Izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon’ny loholon’i Israely ao amin’ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an’ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: ‹Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy›. »
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, samy ao amin’ny efitranony misy sarin’ny sampiny? Fa hoy izy: NY TOMPO tsy mahita anay, efa nahafoy ny tany Izy!
malagasy
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]