Ezekiel 8:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny ho eo amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO aho, ary indro, teo am-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO, teo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roapolo lahy niamboho ny tempolin’NY TOMPO ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay, nentiny aho, ho ao amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’i Iaveh, ary indro fa teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’i Iaveh ao anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, nisy lehilahy sahabo ho 25, niamboho ny tempolin’i Iaveh, nitodika niantsinanana, ary niankohoka niantsinanana teo anoloan’ny masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin’ny TOMPO aho hankao an-kianja anatiny amin’ny tranony. Manoloana ny varavaran’ny Toeramasina, dia nisy tokony ho 25 lahy teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana. Niamboho ny Toeramasina ireo ary nitodika miantsinanana ka niankohoka mba hivavaka amin’ny masoandro.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny ho eo amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO aho, ary indro, teo am-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO, teo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roapolo lahy niamboho ny tempolin’NY TOMPO ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
malagasy