Ezekiel 8:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy zavatra nitarehin’afo; hatramin’ny andilany no ho midina dia afo; ary hatramin’ny andilany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra, toy ny volon’ny metaly mamirapiratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin’afo; ka ny hatramin’izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin’ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako nisy toa miendrika olona no fijery azy. Tahaka ny afo ny tenany hatreo amin’ny tehezany no ho midina, ary mamirapiratra sy manjelanjelatra tahaka ny metaly mangirana kosa ny tapany ambony.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy zavatra nitarehin’afo; hatramin’ny andilany no ho midina dia afo; ary hatramin’ny andilany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra, toy ny volon’ny metaly mamirapiratra.
malagasy