Ezekiel 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy zavatra nitarehin-tanana natsotra ka noraisiny tamin’ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra mampahasaro-piaro, ilay mampahasaro-piaro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy tarehin-tanana natsotrany, dia noraisiny tamin’ny volondohako miolikolika aho, ka naingain’ny Fanahy ho eny anelanelan’ny tany aman-danitra, sy nentiny, tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan’ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin’ny fialonana, mamelona fialonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy toa tanana natsotrany tamiko ka noraisiny tamin’ny volon-dohako aho. Tanatin’izany fahitana avy amin’Andriamanitra izany, dia tsaroako ho ningain’ny Fanahin’Andriamanitra ho eny ana habakabaka aho ka nentiny hankany Jerosalema. Mby teo amin’ny vavahadin-tanàna izay mitodika mianavaratra aho, dia teo amin’ny toerana nisy ilay sarivongan-tsampy tsy zakan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy zavatra nitarehin-tanana natsotra ka noraisiny tamin’ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra mampahasaro-piaro, ilay mampahasaro-piaro.
malagasy
Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]