Ezekiel 8:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, atopazo kely mianavaratra ny masonao! Dia natopiko mianavaratra ny masoko ka indro, eny avaratry ny vavahadin’ny alitara, teo amin’ny fidirana, no nisy ilay sarin-javatra mampahasaro-piaro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonana io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy Andriamanitra tamiko: «Atopazo mianavaratra ny masonao, ry ilay taranak’olombelona.» Dia nataoko izany. Indro teo avaratry ny vavahady nisy alitara iray; ary ilay sarivongan-tsampy tsy zakan’Andriamanitra dia hitako teo akaikin’ny fidirana.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona*, atopazo kely mianavaratra ny masonao! Dia natopiko mianavaratra ny masoko ka indro, eny avaratry ny vavahadin’ny alitara, teo amin’ny fidirana, no nisy ilay sarin-javatra mampahasaro-piaro.
malagasy