Ezekiel 9:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso tamin’ny feo mahery teo anatrehako NY TOMPO hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tanany avy ho enti-mandringana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso mafy teo an-tsofiko Izy nanao hoe: «Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia reko niteny mafy tamiko ny Tompo nanao hoe: «Manatòna ianareo natao hanafay ny tanàna ka samia mitondra ny fitaovam-pandravana eny an-tanany avy.»
Malagasy Bible 1865
Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso tamin’ny feo mahery teo anatrehako NY TOMPO hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tanany avy ho enti-mandringana!
malagasy
[Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.