Ezekiel 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, Ralehilahy, ilay nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo amin’ny andilany, dia nitondra teny niverina hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: «Vitako izay nandidianao ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia tonga nanao tatitra ilay lehilahy niakanjo rongony ka nanao tamin’Andriamanitra hoe: –Efa notanterahiko izay nandidianao ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, Ralehilahy, ilay nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo amin’ny andilany, dia nitondra teny niverina hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
malagasy
Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.