Ezekiel 9:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indreo, nisy lehilahy enina avy teo amin’ny vavahady ambony izay manatrika ny avaratra, samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny iray tamin’ireo dia nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany. Dia niditra izy ireo ka nijoro teo anilan’ny alitara varahina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia indreo lehilahy enina nipoitra teo amin’ny vavahady ambony, izay tamin’ny lafiny avaratry ny tempoly, sady samy nitondra ny fitaovam-pandravàny avy. Nisy lehilahy iray niakanjo rongony teo afovoany sady mitondra fitaovam-panoratana teny amin’ny fehikibony. Niditra izy rehetra ka nijanona teo akaikin’ny alitara halimo.
Malagasy Bible 1865
Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indreo, nisy lehilahy enina avy teo amin’ny vavahady ambony izay manatrika ny avaratra, samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny iray tamin’ireo dia nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany. Dia niditra izy ireo ka nijoro teo anilan’ny alitara varahina.
malagasy