Ezekiel 9:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia niakatra ka niala teo amin’ny kerobima izay nitoerany, ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano, ary Izy dia niantso ilay lehilahy nitafy lamba rongony fotsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely, niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano. Ary i Iaveh niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely izay niseho teo ambony kerobima dia niakatra ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly. Ary niantso ilay lehilahy niakanjo rongony izay nitondra fitaovam-panoratana ny TOMPO,
Malagasy Bible 1865
Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia niakatra ka niala teo amin’ny kerobima* izay nitoerany, ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano, ary Izy dia niantso ilay lehilahy nitafy lamba rongony fotsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany.
malagasy
Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.