Ezekiel 9:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana mamakivaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana mamakivaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao aminy.
malagasy
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]